1. But of the times and the seasons, brethren, ye have no need that I write unto you.
1. Pour ce qui est des temps et des moments, vous n`avez pas besoin, frères, qu`on vous en écrive.
1. Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2. For yourselves know perfectly that the day of the Lord so cometh as a thief in the night.
2. Car vous savez bien vous-mêmes que le jour du Seigneur viendra comme un voleur dans la nuit.
2. Satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
3. For when they shall say, Peace and safety; then sudden destruction cometh upon them, as travail upon a woman with child; and they shall not escape.
3. Quand les hommes diront: Paix et sûreté! alors une ruine soudaine les surprendra, comme les douleurs de l`enfantement surprennent la femme enceinte, et ils n`échapperont point.
3. Fa raha hisy olona hanao hoe: Miadana sy mandry fahizay izahay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka ka tsy ho afa-mandositra izy.
4. But ye, brethren, are not in darkness, that that day should overtake you as a thief.
4. "Mais vous, frères, vous n`êtes pas dans les ténèbres, pour que ce jour vous surprenne comme un voleur;"
4. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5. Ye are all the children of light, and the children of the day: we are not of the night, nor of darkness.
5. vous êtes tous des enfants de la lumière et des enfants du jour. Nous ne sommes point de la nuit ni des ténèbres.
5. "Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika."
6. Therefore let us not sleep, as do others; but let us watch and be sober.
6. Ne dormons donc point comme les autres, mais veillons et soyons sobres.
6. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
7. For they that sleep sleep in the night; and they that be drunken are drunken in the night.
7. Car ceux qui dorment dorment la nuit, et ceux qui s`enivrent s`enivrent la nuit.
7. "Fa izay matory dia matory amin’ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ny alina."
8. But let us, who are of the day, be sober, putting on the breastplate of faith and love; and for an helmet, the hope of salvation.
8. Mais nous qui sommes du jour, soyons sobres, ayant revêtu la cuirasse de la foi et de la charité, et ayant pour casque l`espérance du salut.
8. Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9. For God hath not appointed us to wrath, but to obtain salvation by our Lord Jesus Christ,
9. Car Dieu ne nous a pas destinés à la colère, mais à l`acquisition du salut par notre Seigneur Jésus Christ,
9. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika,
10. Who died for us, that, whether we wake or sleep, we should live together with him.
10. qui est mort pour nous, afin que, soit que nous veillons, soit que nous dormions, nous vivions ensemble avec lui.
10. Izay maty ho antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11. Wherefore comfort yourselves together, and edify one another, even as also ye do.
11. C`est pourquoi exhortez-vous réciproquement, et édifiez-vous les uns les autres, comme en réalité vous le faites.
11. Koa mifampionòna sy mifampahatanjaha tahaka ny ataonareo ihany.
12. And we beseech you, brethren, to know them which labour among you, and are over you in the Lord, and admonish you;
12. Nous vous prions, frères, d`avoir de la considération pour ceux qui travaillent parmi vous, qui vous dirigent dans le Seigneur, et qui vous exhortent.
12. Ary miangavy anareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo,
13. And to esteem them very highly in love for their work's sake. And be at peace among yourselves.
13. Ayez pour eux beaucoup d`affection, à cause de leur oeuvre. Soyez en paix entre vous.
13. Ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy ireo noho ny asany. Mihavàna tsara.
14. Now we exhort you, brethren, warn them that are unruly, comfort the feebleminded, support the weak, be patient toward all men.
14. Nous vous prions aussi, frères, avertissez ceux qui vivent dans le désordre, consolez ceux qui sont abattus, supportez les faibles, usez de patience envers tous.
14. "Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy: anaro izay tsy azo fehezina; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra."
15. See that none render evil for evil unto any man; but ever follow that which is good, both among yourselves, and to all men.
15. "Prenez garde que personne ne rende à autrui le mal pour le mal; mais poursuivez toujours le bien, soit entre vous, soit envers tous."
15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona, fa hanaraka mandrakariva izay tsara na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
16. Rejoice evermore.
16. Soyez toujours joyeux.
16. Mifalia mandrakariva.
17. Pray without ceasing.
17. Priez sans cesse.
17. Mivavaha ka aza mitsahatra.
18. In every thing give thanks: for this is the will of God in Christ Jesus concerning you.
18. Rendez grâces en toutes choses, car c`est à votre égard la volonté de Dieu en Jésus Christ.
18. Misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ny aminareo.
19. Quench not the Spirit.
19. N`éteignez pas l`Esprit.
19. Aza mamono ny Fanahy.
20. Despise not prophesyings.
20. Ne méprisez pas les prophéties.
20. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21. Prove all things; hold fast that which is good.
21. "Mais examinez toutes choses; retenez ce qui est bon;"
21. "Zahao toetra ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara."
22. Abstain from all appearance of evil.
22. abstenez-vous de toute espèce de mal.
22. "Fadio izay endriky ny ratsy rehetra;"
23. And the very God of peace sanctify you wholly; and I pray God your whole spirit and soul and body be preserved blameless unto the coming of our Lord Jesus Christ.
23. Que le Dieu de paix vous sanctifie lui-même tout entiers, et que tout votre être, l`esprit, l`âme et le corps, soit conservé irrépréhensible, lors de l`avènement de notre Seigneur Jésus Christ!
23. Ary ny Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo tanteraka, ka mivavaka amin’Andriamanitra aho mba harovany avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
24. Faithful is he that calleth you, who also will do it.
24. Celui qui vous a appelés est fidèle, et c`est lui qui le fera.
24. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25. Brethren, pray for us.
25. Frères, priez pour nous.
25. Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
26. Greet all the brethren with an holy kiss.
26. Saluez tous les frères par un saint baiser.
26. Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina.
27. I charge you by the Lord that this epistle be read unto all the holy brethren.
27. Je vous en conjure par le Seigneur, que cette lettre soit lue à tous les frères.
27. Manome andraikitra anareo ao amin’ny Tompo aho mba hovakina amin’ny rahalahy masina rehetra ity epistily ity.
28. The grace of our Lord Jesus Christ be with you. Amen.
28. Que la grâce de notre Seigneur Jésus Christ soit avec vous!
28. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. (Nosoratana tany Atena ny epistily voalohany ho an’ny Tesaloniana).
<
>